FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 7:40-46
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 40 Nanamboatra kovetabe sy lapelina+ ary vilia baolina+ koa i Hirama.+ Vitan’i Hirama àry ny asa rehetra nataony ho an’i Solomona Mpanjaka, momba ny tranon’i Jehovah:+ 41 Ny andry+ roa sy ny loha andry nitovy tamin’ny vilia baolina, izay teo an-tampon’ny andry roa; ny harato+ roa nandrakotra ny loha andry roa nitovy tamin’ny vilia baolina, izay teo an-tampon’ireo andry; 42 ny ampongabendanitra+ 400 ho an’ny harato roa, ka ampongabendanitra roa andalana ho an’ny harato tsirairay, mba handrakofana ny loha andry roa* teo ambonin’ny andry roa; 43 ny kalesy+ folo sy ny kovetabe+ folo teo amboniny; 44 ny Ranomasina+ sy ny omby 12 teo ambaniny; 45 ny fitoeran-davenona, ny lapelina, ny vilia baolina, ary ny fitaovana rehetra, izay nataon’i Hirama tamin’ny varahina nokosehina hangirana. Nataony ho an’i Solomona Mpanjaka izany, ho an’ny tranon’i Jehovah. 46 Tao amin’ny faritr’i Jordana, teo anelanelan’i Sokota sy Zaretana, no nandrendrehan’ny mpanjaka an’ireo, tao anaty lasitra tanimanga.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara