3 “‘Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia tokony ho lahy tsy misy kilema ilay izy.+ Hatolony an-tsitrapo+ eo anatrehan’i Jehovah, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, ilay omby.
5 “‘Hovonoina eo anatrehan’i Jehovah avy eo ilay vantotr’ombilahy. Ary hatolotr’ireo mpisorona zanakalahin’i Arona+ ho an’Andriamanitra ny ra, ka hafafiny eo amin’ny lafiny rehetra amin’ilay alitara,+ izay eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.