4 Hatolotrao amin’ny maraina ny ondrilahy kely iray, fa ny iray kosa amin’ny takariva.+ 5 Ny ondrilahy tsirairay dia hampiarahina amin’ny fanatitra varimbazaha, izany hoe lafarinina tsara toto ampahafolon’ny efaha, afangaro menaka ampahefatry ny hina avy amin’ny oliva voatoto.+