-
Ezra 9:3, 4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Raha vao henoko izany, dia norovitiko ny akanjoko anatiny sy ivelany, ary nongotako ny volon-dohako sy ny volombavako, ka tafapetraka teo aho fa kivy tanteraka. 4 Ary nitangorona teo amiko daholo izay nanaja ny* tenin’ny Andriamanitry ny Israely, satria nalahelo izy ireo fa nivadika ny olona avy natao sesitany. Mbola tafapetraka teo aho fa kivy tanteraka, mandra-pahatongan’ny fotoanan’ny fanatitra varimbazaha amin’ny takariva.+
-
-
Daniela 9:3-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Koa nitodika tany amin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, aho ka nivavaka sy nitalaho taminy. Nifady hanina+ sy niakanjo gony aho tamin’izay, dia nihosin-davenona. 4 Nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitro aho, ka nibaboka hoe:
“Jehovah ô, Andriamanitra tena miavaka sady mendrika hatahorana ianao! Manaja ny fifanekena nataonao ianao, ka izay tia anao sy mankatò ny didinao+ no tianao sady tsy ivadihanao.+ 5 Efa nanota izahay, ka nanao fahadisoana sy nanao ratsy ary nikomy.+ Tsy nanaraka ny didinao sy ny didim-pitsaranao intsony izahay.
-