-
Ezra 10:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Ny olona avy natao sesitany kosa nanatanteraka an’izay efa nifanarahana. Tamin’ny andro voalohan’ny volana fahafolo àry, dia nivory nitokana i Ezra mpisorona sy ny lohan’ireo fianakaviambe, dia izay rehetra voatonona anarana, mba handinika an’ilay raharaha. 17 Voalamin’izy ireo tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany ny momba ny lehilahy rehetra nanambady vehivavy hafa firenena.
-