-
Daniela 4:34, 35Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 “Rehefa tapitra izany fotoana izany,+ dia nijery ny lanitra izaho Nebokadnezara, ary niverina indray ny saiko. Dia nidera an’ilay Avo Indrindra aho, sady nidera sy nanome voninahitra an’Ilay velona mandrakizay. Fitondrana mandrakizay mantsy ny fitondrany, ary haharitra hatramin’ny taranaka fara aman-dimby ny fanjakany.+ 35 Tsinontsinona ny mponina rehetra eto an-tany, raha ampitahaina aminy. Manao izay sitrapony rehetra izy, eo amin’ny tafiky ny lanitra sy ny mponina eto an-tany. Tsy misy mahasakana azy,*+ na afaka miteny aminy hoe: ‘Fa inona ity ataonao?’+
-