24 Alitara tany no ataovy ho ahy, ary ataovy sorona eo amboniny ny fanatitra dorana, ny sorona iombonana,* ny ondrinao, ary ny ombinao. Ary ho any aminao aho ka hitahy anao, any amin’izay toerana rehetra hofidiko hahatsiarovana ny anarako.+
29 Napetrany teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay masina, izany hoe ny tranolay fihaonana, ny alitara fanaovana fanatitra dorana.+ Amin’izay dia afaka manolotra ny fanatitra dorana+ sy ny fanatitra varimbazaha eo ambonin’ilay alitara izy, araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.