-
1 Tantara 29:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Faly ny vahoaka nanome an’ireny fanatitra an-tsitrapo ireny, satria tamin’ny fony manontolo no nanomezany an’ireny ho an’i Jehovah.+ Faly be koa i Davida Mpanjaka.
-
-
Ezra 7:14-16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Fa irahin’ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy fito ianao mba hanadihady any Joda sy Jerosalema, raha ampiharina tokoa ny Lalàn’ny Andriamanitrao, izay nankinina taminao.* 15 Ento koa ny volafotsy sy ny volamena avy any amin’ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy, nomen’izy ireo an-tsitrapo ho an’ilay Andriamanitry ny Israely, izay any Jerosalema. 16 Ento koa ny volafotsy sy ny volamena rehetra azonao* manerana ny faritanin’i Babylona, sy ny fanomezana avy amin’ny olona sy ny mpisorona, omen’izy ireo an-tsitrapo ho an’ny tranon’ny Andriamaniny any Jerosalema.+
-