-
Ezra 4:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Izahay mantsy mandray karama avy any an-dapa,* ary tsy mety aminay koa ny mijery fotsiny hoe ho matiantoka ny mpanjaka. Dia mandefa an’izao taratasy izao izahay mba hampahafantarana an’izany amin’ny mpanjaka. 15 Amin’izay ianao mba mikaroka ao amin’ny boky mirakitra ny tantaran’ny razambenao.+ Dia ho hitanao ao amin’ilay boky ka ho fantatrao fa tanànan’ny mpikomy izy io, ary mitondra fatiantoka ho an’ny mpanjaka sy ny faritany. Efa hatry ny ela be no nisy mpitarika fikomiana tao. Dia izany no antony nandravana an’io tanàna io.+
-