-
2 Tantara 36:15, 16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Naniraka olona hampitandrina azy ireo foana i Jehovah Andriamanitry ny razambeny. Nampitandrina azy ireo foana tokoa izy, satria izy nangoraka ny vahoakany sady tsy tiany ho rava ny fonenany. 16 Nesoin’izy ireo foana anefa ny irak’ilay tena Andriamanitra,+ ary tsy noraharahiany ny tenin’Andriamanitra,+ sady nihomehezany ny mpaminaniny.+ Tezitra be tamin’ny vahoakany àry i Jehovah tamin’ny farany,+ ary efa tsy azo nampiana intsony koa izy ireo.
-
-
Isaia 42:24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Iza no nanolotra an’i Jakoba tamin’ny mpandroba,
Sy nanolotra an’i Israely tamin’ny mpangalatra?
Tsy i Jehovah ve? Nanota taminy mantsy izy ireo,
-
-
Jeremia 40:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Dia nalain’ilay lehiben’ny mpiambina i Jeremia, ka hoy izy taminy: “Efa nilaza i Jehovah Andriamanitrao fa hahatonga an’izao loza izao amin’ity toerana ity. 3 Dia notanterahin’i Jehovah tokoa izay nolazainy. Nanota tamin’i Jehovah mantsy ianareo ary tsy nankatò ny teniny, ka izany no mahatonga anareo hiharan’izao.+
-