-
2 Tantara 5:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Raha vao niara-nidera sy nisaotra an’i Jehovah ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, ka naneno ny trompetra sy ny kipantsona ary ny zavamaneno hafa, dia feno rahona ilay trano,+ izany hoe ny tranon’i Jehovah. Nidera an’i Jehovah izy ireo tamin’izay, “fa tsara izy, ary be fitiavana sady tsy mivadika mandrakizay.”+
-
-
2 Tantara 7:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Nijoro teo amin’ny toerana tokony hisy azy ny mpisorona tamin’izay, ary teo koa ny Levita nitondra ny zavamaneno nanaovana hira ho an’i Jehovah.+ I Davida Mpanjaka no nanamboatra an’ireny zavamaneno ireny mba hanaovana hira fisaorana an’i Jehovah,—“fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay”—isaky ny nidera azy niaraka tamin’izy ireo* i Davida. Ary nitsoka trompetra+ mafy be teo anoloan’izy ireo ny mpisorona, raha mbola nitsangana teo ny Israelita rehetra.
-