-
1 Tantara 25:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Ary natokan’i Davida sy ny lehiben’ny antoko-mpanompo ny sasany tamin’ny taranak’i Asafa sy Hemana ary Jedotona,+ mba hanao fanompoana ka sady haminany izy ireo no hampiasa harpa sy zavamaneno fitendry+ ary kipantsona.+ Ireto avy ireo lehilahy voatendry hanao fanompoana ireo: 2 Ny avy amin’ny taranak’i Asafa dia i Zakora, Josefa, Netania, ary Asarela. Zanak’i Asafa ireo, ka i Asafa no niandraikitra azy. Naminany teo ambany fiandraiketan’ny mpanjaka i Asafa.
-