-
Estera 9:5-10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Ary nasian’ny Jiosy tamin’ny sabatra ny fahavalony rehetra, ka novonoiny sy naringany. Dia nanao izay tiany tamin’izay nankahala azy ny Jiosy.+ 6 Namono sy nandripaka 500 lahy tao an-dapan’i* Sosana*+ àry ny Jiosy. 7 Novonoin’izy ireo koa i Parsandata, Dalfona, Aspata, 8 Porata, Adalia, Aridata, 9 Parmasta, Arisay, Ariday, ary Vaizata, 10 dia izy folo lahy zanak’i Hamana zanak’i Hamedota, ilay fahavalon’ny Jiosy.+ Tsy nandroba fananana anefa ny Jiosy, rehefa avy namono an’ireny.+
-