-
Estera 9:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Dia tonga ny andro faha-13 amin’ny volana faha-12, izany hoe ny volana Adara.*+ Tamin’io andro io no tokony hanatanterahana ny tenin’ny mpanjaka sy ny didiny.+ Tamin’izay ny fahavalon’ny Jiosy no nanantena hoe handresy azy, saingy nivadika ny rasa ka ny Jiosy indray no nandresy an’izay nankahala azy.+ 2 Dia nifamory tany amin’ny tanànany avy ny Jiosy, tany amin’ireo faritany manerana ny fanjakan’i Ahasoerosy Mpanjaka,+ mba hiady amin’izay nitady hanisy ratsy azy. Ary tsy nisy nahajoro teo anatrehan’ny Jiosy, satria tena natahoran’ny olona rehetra izy ireo.+
-