-
Estera 4:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 “Fantatry ny mpanompon’ny mpanjaka sy ny olona rehetra any amin’ny faritany manerana ny fanjakana hoe, raha misy lehilahy na vehivavy miditra eo amin’ny tokotany anatiny+ mankao amin’ny mpanjaka nefa tsy nantsoina, dia izao lalàna tokana izao no hampiharina aminy: Hovonoina ho faty izy. Raha tondroin’ny mpanjaka amin’ny tehiny volamena+ ihany izy vao tsy ho faty. Izaho anefa efa 30 andro izao no tsy nantsoina hankao amin’ny mpanjaka.”
-
-
Estera 8:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Notondroin’ny mpanjaka tamin’ilay tehina volamena àry i Estera+ ka nitsangana. Ary nijoro teo anatrehan’ny mpanjaka izy,
-