-
Genesisy 41:42, 43Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
42 Dia nesorin’i Farao ny peratra fanombohan-kase teny amin’ny tanany ka nataony tamin’ny tanan’i Josefa. Ary nampitafiany lamba rongony tena tsara koa izy sady nasiany rojo volamena ny vozony. 43 Nasainy nitaingina teo amin’ny kalesy faharoan’i Farao koa izy, dia nisy olona niantsoantso teo alohany hoe: “Avreka!”* Toy izany no nanendren’i Farao azy hanam-pahefana amin’i Ejipta manontolo.
-