6 Nanomboka niteny àry i Eliho zanak’i Barakela Bozita hoe:
“Mbola tanora aho,
Fa ianareo kosa efa be taona.+
Koa ho fanajana anareo, dia tsy niteny aho aloha+
Sady tsy sahy nilaza taminareo an’izay fantatro.
7 Nieritreritra aho hoe: ‘Aleo izay efa ela niainana no hiteny,
Ary izay be taona no aoka hilaza fahendrena.’