-
Genesisy 4:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Rehefa mamboly ianao, dia tsy hamokatra* ny tany. Hirenireny sy handositra foana koa ianao eny ambonin’ny tany.”
-
-
Salamo 109:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Enga anie ho lasa mpangataka mirenireny ny zanany,*
Ka hitady hanina lavitry ny tranony efa ravarava.
-
-
Daniela 4:25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Horoahina hiala amin’ny olona ianao, ka hiara-mipetraka amin’ny bibidia. Homena ahitra ianao dia hihinana ahitra hoatran’ny omby, ary ho lenan’ny andon’ny lanitra.+ Ary havela holanina aminao+ ny fe-potoana fito,+ mandra-pahafantatrao fa ilay Avo Indrindra no Mpitondra eo amin’ny fanjakan’ny olombelona, ka izay tiany homena fitondrana no omeny an’izany.+
-