27 Hoy anefa i Davida anakampo: “Ho fatin’ny tanan’i Saoly ihany aho indray andro any. Ny mandositra any amin’ny tanin’ny Filistinina no tena mety amiko.+ Amin’izay dia tsy hitady ahy manerana ny faritry ny Israely+ intsony i Saoly, ka tsy ho azon’ny tanany aho.”