-
Isaia 17:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Izany ny feon’ny vahoaka maro misahotaka,
Izay mitabataba hoatran’ny ranomasina misamboaravoara!
Mitabataba be ireo firenena,
Ka hoatran’ny rano mikoriana mafy ny feony!
13 Hitabataba toy ny rano be misasasasa ireo firenena.
Dia hoteneniny mafy izy ireo, ka handositra lavitra,
Ary horoahina toy ny akofa entin’ny rivotra eny an-tendrombohitra,
Sy toy ny tsilo avadibadiky ny tafio-drivotra.
-
-
Isaia 57:20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 “Hoatran’ny ranomasina misamboaravoara tsy mety mitony kosa ny ratsy fanahy,
Ary mamoaka ahidranomasina sy fotaka ilay ranomasina.
-