-
Salamo 22:27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 Hahatsiaro an’i Jehovah ny olona hatrany amin’ny faran’ny tany, ka hiverina aminy.
Hiankohoka eo anatrehanao ny foko rehetra eo amin’ireo firenena.+
-
-
Malakia 1:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 “Ho be voninahitra eo amin’ireo firenena ny anarako, hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany.*+ Eny rehetra eny, dia hisy hanao sorona hatao midona-tsetroka, ary hisy hanao fanatitra, ho fanomezam-boninahitra ny anarako. Ho fanomezana madio izany. Ho be voninahitra eo amin’ireo firenena mantsy ny anarako”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.
-