-
Eksodosy 1:8-10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Tatỳ aoriana, dia nisy mpanjaka vaovao tany Ejipta, ary tsy nahalala an’i Josefa izy io. 9 Hoy àry izy tamin’ny vahoakany: “Jereo fa be dia be sy mahery noho isika ny vahoakan’Israely.+ 10 Andao hanaovantsika tetika ireo. Raha tsy izany mantsy, dia hihabetsaka ry zareo ary hanampy an’ireo fahavalontsika raha sendra misy ady, ka hiady amintsika ary hiala eto amin’ny tanintsika.”
-
-
Estera 3:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Tena tsy tiany anefa raha i Mordekay irery no hovonoina.* Efa nisy niresaka taminy mantsy hoe inona ny firenena niavian’i Mordekay. Nitady hevitra àry izy mba handripahana ny Jiosy rehetra, dia ny firenen’i Mordekay eran’ny fanjakan’i Ahasoerosy.
-