-
Jeremia 33:20, 21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 “Izao no lazain’i Jehovah: ‘Raha vitanareo ny manafoana ny fifanekena nataoko momba ny andro sy ny fifanekena nataoko momba ny alina, mba hisakanana ny andro sy ny alina tsy ho tonga amin’ny fotoana tokony hahatongavany,+ 21 dia amin’izay ihany vao ho azo foanana ny fifanekena nataoko tamin’i Davida mpanompoko,+ ka tsy hanana zanakalahy ho mpanjaka hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany+ izy. Amin’izay ihany koa vao ho azo foanana ny fifanekena nataoko tamin’ny Levita mpisorona mpanompoko.+
-