-
Hebreo 3:7-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Noho izany, dia hoy ny fanahy masina:+ “Raha mihaino ny feony ianareo anio, 8 dia aza manamafy ny fonareo hoatran’ny tamin’ilay fotoana nampahatezitra be ahy, tamin’ilay andro nitsapana ahy tany an-tany efitra.+ 9 Nitsapa toetra ahy mantsy ny razambenareo tamin’izay, na dia efa hitany aza ny asa nataoko nandritra ny 40 taona.+ 10 Noho izany, dia lasa rikoriko tamin’izany taranaka izany aho ka nilaza hoe: ‘Mafy loha foana ireo sady tsy manao afa-tsy izay tiany, ary tsy fantany ny lalako.’ 11 Tezitra àry aho sady nianiana hoe: ‘Tsy hiditra amin’ny fitsaharako ireo.’”+
-
-
Hebreo 4:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Noho izany àry, dia mbola nifidy andro iray izy ka nilaza tao amin’ny salamon’i Davida, ela be tatỳ aoriana, hoe: “Anio.” Efa voalaza tetsy aloha koa mantsy hoe: “Raha mihaino ny feony ianareo anio, dia aza manamafy ny fonareo.”+
-