-
Asan’ny Apostoly 13:34-37Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 Natsangany tamin’ny maty tokoa izy mba tsy ho lo intsony, araka ny nolazainy hoe: ‘Ho tia anareo aho ary tsy hivadika aminareo araka ny nampanantenaiko an’i Davida. Ary azo itokisana* izany fampanantenana izany.’+ 35 Izao koa no voalazan’ny salamo hafa: ‘Tsy havelanao ho lo ilay mpanomponao tsy mivadika.’+ 36 Rehefa avy nanompo an’Andriamanitra* teo anivon’ny mpiara-belona taminy i Davida, dia nodimandry* ka nalevina any amin’ny razambeny, dia lo.+ 37 Fa ilay natsangan’Andriamanitra kosa tsy lo.+
-