-
Levitikosy 16:21, 22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Hametraka ny tanany roa eo amin’ny lohan’ilay osilahy velona i Arona, sady hiaiky ny fahadisoana rehetra sy ny fandikan-dalàna rehetra ary ny fahotana rehetra nataon’ny Israelita. Dia hataony eo amin’ny lohan’ilay osilahy izany rehetra izany.+ Ary halefany any an-tany efitra ilay osilahy, ka lehilahy iray efa voatendry* no hitarika azy io. 22 Ary hoentin’ilay osilahy ho any amin’ny tany karakaina+ ny fahadisoana rehetra+ nataon’ny Israelita. Dia halefa any an-tany efitra+ ilay osilahy.
-