-
Salamo 145:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Fanjakana maharitra mandrakizay ny fanjakanao,
Ary maharitra hatramin’ny taranaka fara aman-dimby ny fitondranao.+
-
-
Daniela 4:25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Horoahina hiala amin’ny olona ianao, ka hiara-mipetraka amin’ny bibidia. Homena ahitra ianao dia hihinana ahitra hoatran’ny omby, ary ho lenan’ny andon’ny lanitra.+ Ary havela holanina aminao+ ny fe-potoana fito,+ mandra-pahafantatrao fa ilay Avo Indrindra no Mpitondra eo amin’ny fanjakan’ny olombelona, ka izay tiany homena fitondrana no omeny an’izany.+
-