-
Eksodosy 9:23-26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Koa natsotran’i Mosesy hanondro ny lanitra ny tehiny. Dia nandefa kotroka sy havandra i Jehovah, ary nisy afo* nilatsaka tamin’ny tany. Ary nampilatsaka havandra be dia be tany Ejipta i Jehovah. 24 Dia nilatsaka ny havandra, ary nisy afo nitselatselatra teny anelanelany. Tena be dia be mihitsy ilay havandra, ary mbola tsy nisy hoatr’izany eran’i Ejipta hatrizay naha firenena azy.+ 25 Nilatsahan’ny havandra daholo ny zava-drehetra tany an-tsaha nanerana an’i Ejipta, na ny olona na ny biby. Nosimban’ilay izy koa ny zavamaniry rehetra, ary potika ny hazo rehetra tany an-tsaha.+ 26 Tany Gosena ihany, tany amin’izay nisy ny Israelita, no tsy nisy havandra.+
-