-
Eksodosy 15:24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Koa nanomboka nimenomenona tamin’i Mosesy+ ny vahoaka, ka niteny hoe: “Dia inona no hosotroinay?”
-
-
Eksodosy 16:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Dia nimenomenona tamin’i Mosesy sy Arona ny vahoakan’Israely manontolo, tany an-tany efitra.+ 3 Niteny tamin’izy mirahalahy foana ny Israelita hoe: “Naleonay ihany matin’ny tanan’i Jehovah tany Ejipta, tamin’izahay nipetraka teo akaikin’ny vilany fandrahoan-kena,+ sady nihinana an’izay mofo laninay. Fa nentinareo atỳ an-tany efitra atỳ izahay izao, mba ho faty mosary ity fiangonana manontolo ity.”+
-