14 Ho toy ny liona tanora ho an’i Efraima aho,
Ary ho liona matanjaka ho an’ny taranak’i Joda.
Izaho mihitsy no hamiravira azy ireo dia handeha,+
Ary hitondra azy aho, ka tsy hisy hamonjy azy.+
15 Handeha aho ka hiverina any amin’ny toerana nisy ahy, ary tsy hiala any raha tsy efa avy nizaka ny vokatry ny nataony izy ireo.
Dia hitady sitraka amiko izy ireo.+
Ary hitady fanampiana amiko izy rehefa azom-pahoriana mafy.”+