FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 28:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Izao àry no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony:

      “Mametraka vato fototra ao Ziona aho, dia vato efa voasedra.+

      Io no vato fehizoro+ sarobidy izay fototra azo antoka.+

      Tsy hatahotra izay rehetra maneho finoana azy io.+

  • Lioka 20:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Fa nijery tsara azy ireo i Jesosy sady niteny hoe: “Koa inona àry no dikan’ilay voasoratra hoe: ‘Ny vato tsy tian’ny* mpanao trano no lasa vato fehizoro lehibe indrindra’?*+

  • Asan’ny Apostoly 4:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • 1 Korintianina 3:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Fa tsy misy afaka mametraka fototra hafa ankoatra an’izay efa napetraka, dia i Jesosy Kristy.+

  • Efesianina 2:19, 20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Tsy vahiny na hafa firenena intsony+ àry ianareo, fa mpiray firenena+ amin’ny olona masina sady anisan’ny ankohonan’Andriamanitra.+ 20 Ary efa naorina teo ambony fototra, dia ny apostoly sy ny mpaminany,+ ianareo. I Kristy Jesosy kosa no vato fehizoro.+

  • 1 Petera 2:4-7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Toy ny vato velona tsy tian’ny* olona izy,+ nefa nofidin’Andriamanitra sy sarobidy aminy.+ Rehefa manatona azy ianareo, 5 izay vato velona koa, dia aorina ho trano ara-panahy+ mba ho mpisorona masina. Amin’izay dia hanolotra sorona ara-panahy+ ankasitrahan’Andriamanitra ianareo, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.+ 6 Hoy mantsy ny Soratra Masina: “Mametraka vato voafidy ao Ziona aho, dia vato fehizoro sady vato fototra sarobidy. Tsy hisy ho diso fanantenana* mihitsy izay rehetra maneho finoana azy io.”+

      7 Aminareo àry no sarobidy izy, satria mpino ianareo. Fa amin’ny tsy mpino kosa, dia “ny vato tsy tian’ny* mpanao trano+ no lasa vato fehizoro lehibe indrindra”,*+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara