-
1 Samoela 23:26-28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 Tonga teo amin’ny andaniny iray tamin’ny tendrombohitra i Saoly, fa i Davida sy ny olony kosa teo amin’ny ankilany. Dia niala teo haingana+ i Davida mba tsy ho azon’i Saoly. I Saoly sy ny olony kosa nihananatona an’i Davida sy ny olony mba hisambotra azy ireo.+ 27 Nisy iraka anefa tonga nilaza tamin’i Saoly hoe: “Andao haingana fa manafika ny tanintsika ny Filistinina!” 28 Dia tsy nanenjika an’i Davida intsony i Saoly,+ fa lasa nifanandrina tamin’ny Filistinina. Izany no antony niantsoana an’ilay toerana hoe Harambaton’ny Fisarahana.
-
-
2 Samoela 17:21, 22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Nivoaka avy tao amin’ilay lavadrano izy roa lahy rehefa lasa izy ireo, ka lasa nampandre an’i Davida Mpanjaka. Hoy izy ireo taminy: “Mandehana haingana miampita ny renirano, fa izao sy izao ny torohevitr’i Ahitofela hamelezana anareo.”+ 22 Tonga dia niainga i Davida sy ny olona rehetra niaraka taminy, ka niampita an’i Jordana. Tafampita an’i Jordana daholo ny olona, rehefa nangiran-dratsy ny andro.
-