FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 7:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Tonga dia nataon’i Mosesy sy Arona izay nandidian’i Jehovah azy ireo. Ningainy ilay tehina, dia nokapohiny teo imason’i Farao sy ny mpanompony ny rano tao amin’ny Reniranon’i Neily. Koa lasa ra ny rano rehetra tao amin’ilay renirano.+

  • Eksodosy 8:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Koa natsotran’i Arona teo ambonin’ny ranon’i Ejipta ny tanany, ka nanomboka niakatra ny sahona ary nandrakotra an’ilay tany.

  • Eksodosy 8:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ary nataon’izy ireo izany. Natsotran’i Arona ilay tanany nitazona tehina ary nokapohiny ny vovoky ny tany. Dia lasa moka nanerana an’i Ejipta ny vovoka rehetra tamin’ny tany,+ ka nankeny amin’ny olona sy ny biby.

  • Eksodosy 9:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ny ampitson’iny ihany àry dia nataon’i Jehovah izany, ka maty daholo ny karazana biby fiompy tao Ejipta.+ Ny biby fiompin’ny Israely kosa tsy nisy maty na iray aza.

  • Eksodosy 9:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Naka molaly tao amin’ny lafaoro fandoroana biriky àry izy roa lahy, ary nitsangana teo anatrehan’i Farao. Dia natsipin’i Mosesy teny amin’ny rivotra ilay molaly, ka lasa vay mamoro-nana nipoipoitra teny amin’ny olona sy ny biby.

  • Eksodosy 9:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Koa natsotran’i Mosesy hanondro ny lanitra ny tehiny. Dia nandefa kotroka sy havandra i Jehovah, ary nisy afo* nilatsaka tamin’ny tany. Ary nampilatsaka havandra be dia be tany Ejipta i Jehovah.

  • Eksodosy 10:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Atsory eo ambonin’i Ejipta ny tananao mba ho avy ny valala. Dia hiakatra ireny ka hihinana ny zavamaniry rehetra eto Ejipta, dia izay sisa tsy potiky ny havandra.”

  • Eksodosy 10:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Atsory manondro ny lanitra ny tananao mba hisy haizina manerana an’i Ejipta, dia haizina mikitroka tsy ifankahitana.”

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara