-
Nehemia 9:32Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 “Ry Andriamanitray ô, ry Andriamanitra tena miavaka sy mahery ary mendrika hatahorana, ilay manaja fifanekena sady be fitiavana sy tsy mivadika!+ Mba miangavy re e! Aza odiana tsy hita ny fahoriana rehetra nanjo anay, sy ny mpanjakanay, sy ny andriananay,+ sy ny mpisoronay,+ sy ny mpaminaninay,+ sy ny razambenay, ary ny vahoakanao rehetra, hatramin’ny andron’ny mpanjakan’i Asyria+ ka hatramin’izao!
-