-
Apokalypsy 8:3, 4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Ary nisy anjely anankiray koa tonga nijoro teo akaikin’ny alitara.+ Nanana fitaovana volamena fandoroana emboka manitra+ izy. Nomena emboka manitra be dia be izy mba hatolony teo ambonin’ilay alitara volamena+ teo anoloan’ny seza fiandrianana, niaraka tamin’ny vavaky ny olona masina rehetra. 4 Dia niakatra avy teo an-tanan’ilay anjely ho eo anatrehan’Andriamanitra ny setroky ny emboka manitra, niaraka tamin’ny vavaky+ ny olona masina.
-