-
Deoteronomia 4:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Ary iza no firenena lehibe manana fitsipika sy didim-pitsarana marina hoatran’ilay Lalàna manontolo omeko anareo anio?+
-
-
1 Tantara 17:21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Ary iza amin’ny firenena eto an-tany moa no hoatran’ny Israely vahoakanao?+ Navotan’ilay tena Andriamanitra izy ireo mba ho lasa vahoakany.+ Nataonao nalaza ny anaranao rehefa nanao zavatra miavaka sy mahagaga ianao.+ Nandroaka firenena hiala eo anatrehan’ilay vahoakanao+ navotanao avy tany Ejipta ianao.
-
-
Romanina 3:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Inona àry no tombony ananan’ny Jiosy, ary inona no soa azo amin’ny famorana? 2 Be dia be mihitsy. Voalohany indrindra, dia ny Jiosy no nanankinan’Andriamanitra ny teniny masina.+
-