-
Asan’ny Apostoly 4:25-28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Ianao koa no nampiteny an’i Davida razambenay+ mpanomponao tamin’ny alalan’ny fanahy masina hoe: ‘Nahoana no mikorontana ireo firenena ary misaintsaina zavatra tsy misy dikany ny vahoaka? 26 Nitsangana ireo mpanjakan’ny tany, ary nivondrona ny mpitondra mba hanohitra an’i Jehovah* sy ilay voahosotra notendreny.’*+ 27 Fa nifamory teto amin’ity tanàna ity tokoa i Heroda sy Pontio Pilato+ niaraka tamin’ny hafa firenena sy ny vahoakan’Israely, mba hanohitra an’i Jesosy mpanomponao masina, ilay voahosotrao.+ 28 Nanao an’izany izy ireo mba ho tanteraka izay efa voalazanao mialoha, satria anananao ny hery* ary efa izay no sitraponao.+
-