30 Nandalo teo amin’ny tanimbolin’ny kamo aho,+
Teo amin’ny tanimboaloboky ny tsy ampy saina.
31 Hitako fa feno ahidratsy ilay izy,
Sady rakotra tsilo,
Ary nirodana ny tamboho vato nanodidina azy.+
32 Nodinihiko tsara izany ka nosaintsainiko,
Hitako izany dia izao no lesona nianarako:
33 Raha mbola hatory kely ihany ianao, mbola ho rendremana kely ihany,
Ary mbola haka aina kely ihany,
34 Dia ho avy tampoka hoatran’ny mpangalatra ny fahantranao,
Ary ho tonga tampoka hoatran’ny lehilahy mitondra fiadiana ny fahasahirananao.+