15 Tsy voavidina volamena tsy misy fangarony izany;
Ary tsy mety atao takalony ny volafotsy lanjaina.+
16 Tsy voavidina volamena avy any Ofira+ izany,
Na voavidina vato oniksa tsy fahita firy na safira.
17 Tsy afaka mifampitaha aminy ny volamena sy ny fitaratra;
Ary tsy mety atao takalony ny zavatra vita amin’ny volamena tena tsara.+
18 Tsy mendrika ny hotononina akory ny haran-dranomasina sy ny kristaly,+
Satria sarobidy noho ny perla iray kitapo ny fahendrena iray kitapo.