-
Genesisy 37:3, 4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Tian’i Israely noho ny zanany lahy hafa+ rehetra i Josefa, satria naterany tamin’izy efa antitra. Ary nampanamboatra akanjo manokana* ho an’i Josefa izy. 4 Rehefa hitan’ny rahalahiny hoe i Josefa no tian’ny rainy kokoa noho izy rehetra, dia nankahala azy izy ireo. Lasa nikitakita foana izy ireo rehefa niresaka tamin’i Josefa.
-