-
2 Samoela 15:2-4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Nifoha maraina i Absaloma, ka nitsangana teo amoron’ny lalana mankeo am-bavahadin’ny tanàna.+ Isaky ny nisy olona nanana raharaha hoentina hotsaraina eo anatrehan’ny mpanjaka,+ dia nantsoin’i Absaloma izy ka nilazany hoe: “Avy any aninona ianao?” Dia hoy ilay olona: “Avy amin’ny iray amin’ireo fokon’ny Israely ny mpanomponao.” 3 Ary izao no nolazain’i Absaloma taminy: “Ara-drariny sady ara-dalàna ny fangatahanao, saingy tsy misy olona notendren’ny mpanjaka hihaino anao.” 4 Hoy koa i Absaloma: “Raha mba izaho mantsy no voatendry ho mpitsara eto amin’ity tany ity, dia ho afaka hankatỳ amiko izay olona manana ady sy raharaha hotsaraina. Ary hataoko izay hahazoany rariny.”
-