-
Mpitoriteny 9:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Nisy tanàna kely iray nisy lehilahy vitsivitsy. Dia nisy mpanjaka mahery tonga nanafika an’ilay tanàna, ka nanodidina azy ary nanorina manda hanaovana fahirano azy. 15 Nisy lehilahy mahantra nefa hendry koa tao, ary ny fahendreny no nahavoavonjy an’ilay tanàna. Tsy mba nisy nahatsiaro an’ilay lehilahy mahantra anefa.+
-
-
Jakoba 2:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Raha misy olona manao peratra volamena sy akanjo tsara be, ohatra, tonga ao amin’ny fivorianareo, ary misy mahantra maloto akanjo koa miditra ao, 3 dia ilay manao akanjo tsara be ve no tianareo kokoa, ka teneninareo hoe: “Mipetraha ianao eto amin’ny toerana tsara eto”, fa ilay mahantra kosa teneninareo hoe: “Mijoroa eo ihany ianao”, na hoe: “Mipetraha etsy ambany etsy, eo akaikin’ny fitoeran-tongotro”?+
-