-
Eksodosy 23:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Raha hitanao voatsindrin’ny entana entiny ny ampondran’ny olona mankahala anao, dia aza odiana tsy hita sy ilaozana fotsiny ilay izy. Tsy maintsy manampy an’ilay olona hanarina an’ilay biby ianao.+
-
-
2 Mpanjaka 6:21, 22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Elisa rehefa nahita an-dry zareo: “Hasiako ve ry zareo? Ry raiko ô, hasiako ve ry zareo?” 22 Hoy anefa izy: “Aza asiana ry zareo. Izay azonao babo tamin’ny sabatrao sy ny tsipìkanao ve dia asianao? Rosoy sakafo hohaniny sy rano hosotroiny+ ry zareo, dia alefaso hiverina any amin’ny tompony.”
-
-
Ohabolana 24:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Aza mifaly raha lavo ny fahavalonao,
Ary aza avela ho falifaly ny fonao raha tafintohina izy,+
-