-
Genesisy 37:9-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Nanonofy indray izy taorian’izay ka notantarainy tamin’ny rahalahiny ilay izy. Hoy izy: “Nanonofy indray aho hoe niankohoka teo anatrehako, hono, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana 11.”+ 10 Avy eo dia notantarainy tamin’ny rainy ilay izy, ary teo koa ny rahalahiny. Dia nobedesin’ny rainy izy hoe: “Fa inona no dikan’izany nofinao izany? Ho avy tokoa ve izaho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao?” 11 Dia nialona azy ny rahalahiny,+ fa ny rainy kosa nitadidy an’izany teniny izany foana.
-
-
Asan’ny Apostoly 17:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Nialona+ azy ireo anefa ny Jiosy, ka namory olona ratsy fanahy mpirenireny teny an-tsena, ary nanangona vahoaka sy nampisahotaka ny tanàna. Dia niditra an-keriny tao an-tranon’i Jasona izy ireo, ary nitady an’i Paoly sy Silasy mba hamoaka azy ireo ho eo amin’ny vahoaka.
-