-
Nomery 25:6-8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Tamin’izay mihitsy anefa no nisy Israelita anankiray nitondra vehivavy midianita+ nankeo amin’ny rahalahiny, teo imason’i Mosesy sy ny vahoakan’Israely manontolo. Izy ireo anefa tamin’izay mbola nitomany teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana. 7 Vao nahita an’izany i Finehasa+ zanak’i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, dia nitsangana avy teo amin’ny vahoaka ary naka lefona. 8 Nanaraka an’ilay lehilahy israelita nankao an-tranolay izy, dia nataony indray nandefona ilay lehilahy israelita sy ilay vehivavy. Dia nilentika hatrany amin’ny taovam-pananahan’ilay vehivavy ilay lefona. Dia nitsahatra ilay loza nahazo ny Israelita.+
-
-
Efesianina 5:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 ary aza atao intsony ny zavatra tsy misy dikany fanaon’ny olona ao amin’ny maizina.+ Asehoy kosa hoe ratsy ireny zavatra ireny.
-