-
Nomery 23:24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Io misy firenena! Hitsangana hoatran’ny liona izy.
Hijoro toy ny liona izy,+
Ka tsy hatory raha tsy efa avy mihinana remby,
Sy avy misotro ny ran’izay novonoiny.”
-
-
Isaia 31:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Izao mantsy no nolazain’i Jehovah tamiko:
“Mierona ny liona, dia ny liona tanora matanjaka, mba hiarovana ny remby azony.
Na dia mpiandry ondry be dia be aza no antsoina mba hampandositra azy,
Dia tsy hatahotra izy na dia miantsoantso aza ireo,
Ary tsy hihontsina izy na dia mihorakoraka aza ireo.
Dia ho toy izany koa i Jehovah Tompon’ny tafika,
Rehefa midina hiady izy mba hiarovana ny Tendrombohitra Ziona sy ny havoanany.
-