22 Farany, dia nahatsiaro an’i Rahely Andriamanitra ka nihaino ny vavaka nataony, dia nataony izay hahatonga azy ho bevohoka.*+23 Bevohoka àry i Rahely ka tera-dahy. Dia hoy izy: “Efa nesorin’Andriamanitra ny fahafaham-barakako!”+
24 Rehefa afaka elaela, dia bevohoka i Elizabeta vadiny, ka tsy nivoaka ny trano nandritra ny dimy volana. Ary hoy izy: 25 “Izao no nataon’i Jehovah* ho ahy: Nitsinjo ahy izy mba tsy ho afa-baraka eo imason’ny olona intsony aho.”+