-
Ezekiela 22:20-22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Angonina ho ao anaty fatana fandrendrehana daholo ny volafotsy sy varahina sy vy sy firamainty ary firapotsy, dia avy eo tsofina ny afo mba hampitsonika azy. Dia hoatr’izany koa fa hangoniko daholo ianareo sady ho tezitra sy hisafoaka ihany aho, dia avy eo hotsofiko sy hataoko mitsonika.+ 21 Hangoniko ianareo dia hotsofiko handoro anareo hoatran’ny afo ny hatezerako,+ ka hitsonika ao an-tanànanareo ianareo.+ 22 Toy ny volafotsy mitsonika ao anaty fatana fandrendrehana, dia hitsonika ao an-tanànanareo koa ianareo. Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho Jehovah no nanampatra ny hatezerako taminareo.’”
-