-
Nehemia 9:34, 35Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 Tsy nankatò ny Lalànao ny mpanjakanay sy ny andriananay sy ny mpisoronay ary ny razambenay, sady tsy niraharaha ny didinao na ny fampitandremana* nomenao azy. 35 Na dia mbola nanana ny mpanjakany aza izy ireo, ary nankafy zavatra tsara be dia be avy taminao, sady napetrakao tao amin’ny tany midadasika sy lonaka, dia mbola tsy nanompo anao ihany,+ sady tsy niala tamin’ny fanao ratsiny.
-
-
Daniela 9:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 “Jehovah ô, menatra izahay!* Menatra izahay sy ny mpanjakanay sy ny andriananay ary ny razambenay, satria efa nanota taminao.
-