-
Eksodosy 15:24, 25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Koa nanomboka nimenomenona tamin’i Mosesy+ ny vahoaka, ka niteny hoe: “Dia inona no hosotroinay?” 25 Ary nitaraina tamin’i Jehovah+ i Mosesy, ka natoron’i Jehovah azy ny hazo iray naniry teo. Dia natsipin’i Mosesy tao anatin’ilay rano ilay izy, ka lasa mamy ilay rano.
Teo Andriamanitra no nametraka fitsipika sy didim-pitsarana ho azy ireo. Teo koa Izy no nitsapa toetra azy ireo.+
-
-
Deoteronomia 8:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 dia aza avela hiavonavona* ny fonao+ ka hahatonga anao hanadino an’i Jehovah Andriamanitrao. Izy mantsy no nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, avy tany amin’ny toerana nanandevozana anao.+ 15 Izy koa no nitarika anao hamakivaky an’ilay tany efitra lehibe sy mampahatahotra,+ izay misy bibilava misy poizina sy maingoka, sady tany karakaina tsy misy rano. Izy koa no namoaka rano avy tamin’ny vatolampy,+
-
-
Isaia 43:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Manao zavatra vaovao aho!+
Efa mitranga aza ilay izy izao.
Tsy fantatrareo angaha ilay izy?
-